Teny fisaorana

🙏Misaotra ny Tompo noho ny fitantanany sy famindrampony.
🙏Mankasitraka ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika nanendry sy nametraka ny fahatokisany tamiko hitantana ny Minisiteram-panjakana misahana ny Fanavaozana. Misaotra indrindra tamin’ny fiaraha-miasa feno finiavana sy fahavitrihina teo aminao sy ireo Mpanolotsaina Avo ary ny tenako miaraka amin’ireo mpiara-miasa rehetra.
🙏Mankasitraka ny Praiministra ihany koa nanolotra ny anarako teo amin’ny toerako ary nanome fahatokisana tamin’ny asa nataoko. Misaotra tamin’ny fitarihina sy ny traikefa nozarainao.
🙏Ry rahavavy sy anadahy rehetra, isaorana ny Tompo nampiray antsika rehetra tao anatin’iny Governemanta iny, misaotra tamin’ny fiaraha-miasa sy firahalahiana ary fiaraha-mientana nandritra izay efa-bolana izay. Pejy iray mivalona iny. Traikefa miabo vaovao. Samy niezaka nanao izay vita isika. Misy koa no mbola tsy vita na andalam-pahavitana.
✅Ho ahy manokana dia traikefa lehibe ilay sady nanorina ny Minisitera, nametraka ny fototra no niasa avy hatrany; na tsy mbola nanana tetibola aza. Nahazoako porofo azo tsapain-tanana fa azo atao tsara ny miroso, tsy miandriandry, anaty finiavana.
🙏Mankasitraka ny Mpiara-miasa rehetra niara-nientana tamim-pifanajana sy am-piniavana.
🙏Teo koa ireo Mpiara-miasa teo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny teo amin’ny Primatiora ary ireo Minisitera sy Rafim-panjakana maro.
🙏Ankasitrahako manokana ireo:
– Tanora GenZ, ny fiarahamonim-pirenena maro, ny FFKM sy ny Mpino samihafa, Fikambanam-behivavy sy Fikambanana samihafa, Antoko sy mpanao politika, olom-pirenena tsotra, mpahay raha, ireo Raiamandreny ara-drazana, ny Diaspora sy ireo izay tsy voatanisa.
– Ny fikambanana iraisam-pirenena : Système des Nations-Unies, PNUD, Union Européenne, Union Africaine, SADC, OIF, EISA, Ambassade de Chine sns…
– Ary ny farany nefa tsy kely indrindra dia ny Malagasy rehetra miandrandra Fanavaozana tokoa.
Mankadiry sy midadasika izany fa miainga avy amintsika tsirairay avy.
✅Ny Fitiavako ny Taninjanaka sy ny hananan’ny Malagasy sy Madagasikara toerana mendrika no ady nataoko sy mbola hataoko na inona na inona andraikitra omena ahy.
✍️
Me Hanitra Razafimanantsoa