🙏Misaotra ny Tompo hatrany aho noho ny fitantanany sy famindrampony.
🙏Mankasitraka ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika mametraka indray ny fahatokisany amiko hitantana ny Minisitera misahana ny Fanavaozana.
🙏Misaotra ny Praiministra ihany koa nanolotra ny anarako ho amin’izany andraikitra izany.
✅ Mirary fahombiazana hoantsika mpikambana rehetra ato anatin’ny governemanta ihany koa. Ho ambinin-java-manasatra anie isika ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy sy ny taranaka fara aman-dimby.
✅ Ho ahy manokana dia tena faharesen-dahatra ny fanavaozana. Raharahantsika rehetra izany koa anentanako antsika, tsy an-kanavaka, mba hifandrimbona sy hiara-mientana satria ny tao-trano tsy vitan’irery hoy ny fahendrena Malagasy.
Me Hanitra Razafimanantsoa ✍️
Minisitra misahana ny Fanavaozana