Efa any Toliara ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Michaël Randrianirina hanolotra ny Tsapiky ho an’ny vahoaka Malagasy mandritra ny hetsika « Tsapiky festivaly » izay ho tanterahina any an-toerana androany sy rahampitso
Ny Tsapiky moa dia voasoratra ho harembakoka ara-kolontsaina eo anivon’ny UNESCO nanomboka ny 10 Desambra 2025.
Nitsena azy teny am-pahatongavana ny Filohan’ny antenimieram-pirenena, ny solombavambahoaka ary mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny Governemanta. Ka anisan’izany ny Minisitra misahana ny Fanavaozana ny Me Hanitra Razafimanantsoa.