
Nanokana ny tsangambaton’ny Tsapiky tany an-toerana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël notronin’ny Mpanolo-tsaina Avon’ny Fanavaozana, ny filohan’ny Antenimieram-pirenena sy solombavambahoaka ary mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta. Tany an-toerana koa ny Minisitra misahana ny fanavaozana, ny Me Hanitra Razafimanantsoa.