Fiaraha-miasa: Fifanakalozana voalohany teo amin’ny Vondrona Eoropeana sy Madagasikara
Fanavaozana ny fifandraisana ara-panjakana, fanamafisana ny fiara-miasa amin’ny lafiny politika, toe-karena ary iraisam-pirenena. Ireo no nifampiresahana nandritra ny fifanakalozan-kevitra voalohany teo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeana, izay voafaritra ao anatin’ny Fifanarahana natao tao Samoa (Accord de Samoa) izay mamatotra ny firenena mpikambana amin’ny Vondrona Afrika-Karaiba-Pasifika sy ny Vondrona Eoropeana.
Tonga nanokatra izany fotoana izany ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Rajaoanarison Mamitiana. Nandray anjara tamin’io fifanakalozan-kevitra voalohany io ny Minisitera misahana ny Fanavaozana tamin’ny alalan’ny Tale Jeneraly misahana ny Fandrindrana ny Fanavaozana (DGCR), Ralevason Hary Tiana sy ny Tale misahana ny Fandrindrana amin’ny sehatra marolafy sy Stratejika (DCMS), Andriamizakamanana Rado Haritiana.
Nohamafisin’ny Vondrona eoropeana ny maha-zava-dehibe ny ezaka fampandrosoana, indrindra eo amin’ny fotodrafitrasa, ny asa ho an’ny tanora ary ny fiarovana ny tontolo iainana. Notsindriana manokana ihany koa ny lanjan’ireo fifanarahana ara-toekarena lehibe ho an’ny fampandrosoana iombonana.
Manoloana ny krizy maneran-tany, samy nanamafy ny fahavononany hanohana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, ny fandriampahalemana ary ny fiaraha-miasa maharitra ny andaniny sy ankilany.