🗓️15 aprily 2026
📍Minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy
Kwibuka: fotoam-pahatsiarovana ny famonoana olona faobe tamin’ny taona 1994 tany Rwanda
😢Nanomboka ny 7 aprily 1994 ary naharitra 100 andro namonoana ireo vahoaka Tutsis, olona maherin’ny 1 tapitrisa no maty.
📜Ny 7 aprily no andro iraisam-pirenena natokan’ny Firenena Mikambana handinihana ny famonoana faobe tany Rwanda nanomboka ny taona 2004.
🔘Nanokana fotoana hahatsiarovana ny zava-nisy tany an-toerana androany maraina ny teto Madagasikara:
👉hahatsiarovana ireo namoy ny ainy
👉hanohanana ireo tapaporohana sisa tsy may
👉handavana ny fanadinoina
👉hanoherana ny herisetra
👉tsy hanekena ny fankahalana
👥Nanatrika ny fotoana ny Minisitry ny raharaham-bahiny,Rtoa Alice N’Diaye, ny Minisitra misahana ny Fanavaozana Me Hanitra Razafimanantsoa, ny Mpandrindra ny rafitry ny firenena mikambana eto Madagasikara, Atoa Anthony Ngororano, ny filohan’ny fikambanan’ny Rwandais eto Madagasikara.
#mcr#Fanavaozana
#𝐅𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚#𝐅𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚_𝐦𝐢𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚#𝐅𝐢𝐤𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐡𝐚